Antso ho an'ny Kristiana Malagasy
Nampidirin'i boraingy | 29 Jan, 2009Amim-panetren-tena lehibe no andefasana izao hafatra miloatra avy ao amin'ny fanahy izao
Hoy Jehovah ao amin'ny Isa 41: 13 gFa Izaho, Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia Ilay manao hoe : aza matahotra, Izaho no hamonjy anao ! h Ry tra-bonjy, Mba henoy anie e !Misy feo miantso anao,Miantso foana isanandroRenao, saingy tsy henoinao,Mba henoy anie e!Ny Ray no miantso anao izao;“Anaka, avia hotantanako ianao,Ndeha hiara-dalana Amiko,Mba hanafaka ireo oloko,Hanasitrana ny taniko,Fa ny Teniko natolotro,Ho ampinga sy ho sabatra,Iresahako sy ianao,Rehefa asandratrao ny vavaka,Indro Izaho akaikinao,Momba anao mandrakariva,Izaho Ray tia anao,Mihevitra ny aminao,Andeha ka torio ny Teniko,Torio, dradrao ny fitiavako,Ilaiko ianao dieny anio,Hampivavaka ny olokoHo masina ny fiangonakoHanasitrana ny tanikoIzaho Ray, tia anao”. Izany antso izany no miantefa amintsika Kristiana, izay noho ny famindram-pon’Andriamanitra dia afaka mivetsovetso ny hiran’i Davida Mpanjaka hita ao amin’ny Sal 27 : 1 manao hoe « Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ? » Mba henoy anie e !Hoy ny Hira nampamolivolen’Andriamanitra an’i Mosesy ny amin’Ilay Vatolampy, dia i Jesoa Kristy ao amin’ny Deo, 32: 1-4 “Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny Aho ! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin’ny vavako ! Ho avy tahaka ny ranomasina ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin’ny ahi-maitso, ary ny ranonorana amin’ny anana. Fa ny anaran’i Jehovah no hotoriko ; maneke ny fahalehibiazan’Andriamanitsika. Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany, fa ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa, Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy ; Marina sy mahitsy Izy.
Mamelovelo tokoa izany Teny izany,saingy,
hijanona ho Teny moana
raha hokobonintsika ihany.Maro tokoa ireo noanaMila antsika hamahanaSady mangetahetam-pahafahana.Koa isika mahalalaAoka hisikina sy haheryMba hampiditra ao am-balaIreo ondry mbola very.Ka Jesoa VatolampyNo avelantsika hitantanaSatria ampy dia ampyIzay nafahany ny vatanaSy ny fanahintsikaIzay nanaiky Azy ho TompoTamin-kafanana fa tsy hatsiakaKa ho vonona hanompoAmin-tsaina mibaliakaKa hipololoitra ao anaty hatrany ilay Teny mampahery hoe : « Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ? »