Nahoana moa isika no miboraingy?

Nampidirin'i boraingy | 18 Jol, 2007

Inona marina moa no atao hoe boraingy e! Mety azo lazaina hoe tsy matotra angamba ilay anarana nefa izany indrindra matetika no ataon'ny sain'ny olombelona. Tia miboraingy ny olona dia mitady loha-hevitra sy mitafatafa ato amin'ny serasera. Endrika iray ahafahana manana fifampikasohana amin'ny hafa ny boraingy. Azo atao dia azo atao ny mampiana-tena rehefa miboraingy satria hahitana ireo fandrika maro sy fombafombam-piainana maro ny fandehanana miboraingy. Mivoaka amin'ny fahazarana koa dia azo lazaina hoe miboraingy. Mirenireny eny rehetra eny isika rehefa miboraingy ary indraindray dia tsy manana tanjona loatra saingy izany indrindra anefa no anisan'ny mampianatra antsika ny fiainana.

 Ny fandalinana sy ny fandinihina toy izany no sokafana eto amin'ity resak'i "boraingy" ity saingy boraingy matotra kokoa angamba!

Dia misaotra ny rehetra izay te-hiboraingy eo amin'ny fiainana e!

 

Boraingy sendra nitsipika: mihamafana hono ny tany, ahoana no ataon'ny sasany?

Nampidirin'i boraingy | 18 Jol, 2007

Ao amin'ny vaovao nalefan'ny yahoo androany 19 jolay dia misy ny antso ataon'ny greenpeace ho an'ny olona mba hiadiana amin'ny fihafanan'ny tany. Inona hoy ianareo izany antso izany?

Mitanjaka eny amin'ny ranomandry eny amin'ny tendrombohitr'i Alpa ao Soisa!

Ahoana no tena fiheverantsika izany fomba izany?

Tsy resaka boraingy ve izany sa misy hevi-dalina fonosiny?