Nampidirin'i boraingy | 29 Jan, 2009
Amim-panetren-tena lehibe no andefasana izao hafatra miloatra avy ao amin'ny fanahy izao
Hoy Jehovah ao amin'ny Isa 41: 13 gFa Izaho, Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia Ilay manao hoe : aza matahotra, Izaho no hamonjy anao ! h Ry tra-bonjy, Mba henoy anie e !Misy feo miantso anao,Miantso foana isanandroRenao, saingy tsy henoinao,Mba henoy anie e!Ny Ray no miantso anao izao;“Anaka, avia hotantanako ianao,Ndeha hiara-dalana Amiko,Mba hanafaka ireo oloko,Hanasitrana ny taniko,Fa ny Teniko natolotro,Ho ampinga sy ho sabatra,Iresahako sy ianao,Rehefa asandratrao ny vavaka,Indro Izaho akaikinao,Momba anao mandrakariva,Izaho Ray tia anao,Mihevitra ny aminao,Andeha ka torio ny Teniko,Torio, dradrao ny fitiavako,Ilaiko ianao dieny anio,Hampivavaka ny olokoHo masina ny fiangonakoHanasitrana ny tanikoIzaho Ray, tia anao”. Izany antso izany no miantefa amintsika Kristiana, izay noho ny famindram-pon’Andriamanitra dia afaka mivetsovetso ny hiran’i Davida Mpanjaka hita ao amin’ny Sal 27 : 1 manao hoe « Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ? » Mba henoy anie e !
Hoy ny Hira nampamolivolen’Andriamanitra an’i Mosesy ny amin’Ilay Vatolampy, dia i Jesoa Kristy ao amin’ny Deo, 32: 1-4 “Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny Aho ! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin’ny vavako ! Ho avy tahaka ny ranomasina ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin’ny ahi-maitso, ary ny ranonorana amin’ny anana. Fa ny anaran’i Jehovah no hotoriko ; maneke ny fahalehibiazan’Andriamanitsika. Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany, fa ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa, Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy ; Marina sy mahitsy Izy.
Mamelovelo tokoa izany Teny izany,saingy, hijanona ho Teny moana
raha hokobonintsika ihany.Maro tokoa ireo noanaMila antsika hamahanaSady mangetahetam-pahafahana.Koa isika mahalalaAoka hisikina sy haheryMba hampiditra ao am-balaIreo ondry mbola very.Ka Jesoa VatolampyNo avelantsika hitantanaSatria ampy dia ampyIzay nafahany ny vatanaSy ny fanahintsikaIzay nanaiky Azy ho TompoTamin-kafanana fa tsy hatsiakaKa ho vonona hanompoAmin-tsaina mibaliakaKa hipololoitra ao anaty hatrany ilay Teny mampahery hoe : « Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ? » Mba henoy anie e!
Hoy Isaia (26 : 3)
“Ny sain’ny tsy miovaova dia harovanao ao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky an’i Jehovah izy” Hoy koa i Jesoa (Mat 24; 13-14)“Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” Asa Fitoriana no hafatraAntso izay miantefaAmintsika izay nanaikyKoa aoka tsy ho imolotraKa tsy ho taraikyAo anaty fa hipololotraHo an’ireo maniry fatratraNy tsy hirefarefaAo an-davaky ny haizinaIzay geja tsy azo laizina. Fanekena tsy miovaNo aoka hotazonintsikaKa Ilay Teny LovaNo andeha hapariakaHahitan’izy ireoNy sitrapon’Ilay Ray,Dia ny hamonjena antsikaHo eo anilany indray. Mba henoy anie e!Hoy ny faminaniana nampanambaran’i Jehovah an’i Jeremia Jer 16: 19-21: “Jehovah o! Ry Hery sy Fiarovana ho ahy, ary fandosirako amin’ny andro fahoriana o! Ho tonga Aminao ny Jentilisa avy any amin’ny faran’ny tany ka hanao hoe: Eny tokoa, lainga no nolovan’ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa. Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny. Koa indro, hampahafantariko azy amin’izao indray mandeha izao, eny, hampianariko azy ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.” Nahafantatra ianaoNa dia mpanota mankalaoSatria voafidy hovonjenaSy nomena Ilay harenaDia ny Tenin’AndriamanitraMba handova izany lanitra. Nefa fantatrao moa?Mbola misy ireo sahiranaIzay mbola miroaroaTsy mahita ifikirana.Mitady ireo izay efa miorinaHanambara ho azy ireoIlay tena lala-marinaMba hazava sy hiseho. Koa dia misikina àryNa fotoana io na tsiaHamonjy ireo fanahy mararySy mbola be siasiaMbola mitoky amin’ny sampySy ny fomban-drazana fahiny.Koa torio Ilay VatolampyDia Jesoa, Ilay velona iny.Teny soa mahafaly,Izay mitobaka no omenyKa aoka isika hahay hiangalyNy fizaràna azy irenyAraka ny fahasoavanaIzay efa azontsika avyHahasoa ireo havanaHifalian’ny mpianakavyHo tafahaona any an-danitraKa ho sitrak’Andriamanitra. Teny tsara raketina ao am-po amin'izao zava-mitranga eto amin'ny Firenena izao Sal 119: 33-40: Jehovah o! Toroy ny lalan’ny didinao aho; dia hotandreako hatramin’ny farany izany. Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; eny hitandrina azy amin’ny foko rehetra aho. Ampandehano amin’ny lalan’ny didinao aho; fa izany no sitrako. Amporisiho ny foko ho amin’ny teni-vavolombelonao, fa tsy ho amin’ny fieremana. Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin’ny lalanao aho. Tovy ny teninao amin’ny mpanomponao, izay matahotra Anao indrindra. Esory ny fahafaham-baraka, izay atahorako; fa tsara ny fitsipikao. Indro, manina ny didinao aho, velomy amin’ny fahamarinanao. I Tim 4:1-5: (4-5): Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ny fisaorana, Satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana izany. I Tim 6: 3-10: Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia tsy an’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, fifandirana lalandava, fanaon’ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoan-javatra. 6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika dia aoka hianina amin’izany. Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be. Fil 3: 1-11: Farany ry rahalahy, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina fa mahatsara anareo izany. Tandremo ny tenanareo amin’ny amboa, tandremo ny tenanareo amin’ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ny voakilema. Fa isika no voafora, izay manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary manao an’i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin’ny nofo; kanefa mba manana izay itokiako amin’ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin’ny nofo, mainka fa izaho; fa voafora tamin’ny andro fahavalo aho, avy amin’ny fototr’i Israely, dia avy amin’ny firenen’i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ny Hebreo aho; araka ny lalàna dia Fariseo; araka ny zotom-po dia nanenjika ny fiangonana, araka ny fahamarinana avy amin’ny lalàna, dia tsy manan-tsiny. 7 Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko ho fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka hataoko ho taim-boraka ireny mba hahazoako an’i Kristy; ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin’ny lalàna, fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana; eny mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hampitovina amin’ny endriky ny fahafatesany, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ny maty. Marka 7: 1-8: (6-8) “Fa Jesoa nanao taminy hoe: Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: “Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy” (Isa, 29:13). Mahafoy ny didin’Andriamanitra hianareo ka mitana ny fanaon’ny olona. II Tes 2:13-17: Fa izahay tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan’ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy sy ny finoana ny marina, 14 sady ho amin’izany koa no niantsoany anareo tamin’ny filanzantsaranay hahazoanareo ny voninahitr’i Jesosy Kristy Tompontsika. 15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ny teninay, na tamin’ny epistilinay. 16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, 17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra.
This entry was posted on 29 Janoary, 2009 04:36
and filed under
Ankapobeny .